Hosea 10:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamitaka ny fony, koa hovaliana izy izao noho ny helony. NY TOMPO no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin’izany izy. Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno fitaka ny fony, ka hianjady amin’ireo olona ireo ny vesatry ny heloka vitany. Izy TOMPO mihitsy no hamotika ny alitaran’ireo sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.
Malagasy Bible 1865
Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamitaka ny fony, koa hovaliana izy izao noho ny helony. NY TOMPO no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.
malagasy
Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]