Hosea 10:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namoaka teny maro izy, nanao fianianana mandainga, nanao fifanekena; fa nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bava asa eny an-tsaha ny fitsarana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanonona teny izy ireo, manao fianianana tsy misy antony, sy mandraikitra fanekena; ary ny fitsarana kosa hiposaka toy ny fivelatry ny pavôty eny amin’ny saha voasoritsoritra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miteniteny foana izy no mianian-tsy tò sady manao fifanekena, ka ny rariny dia nitrebona toy ny zava-maniry misy poizina eny an-tsaha voaasa eny.
Malagasy Bible 1865
Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namoaka teny maro izy, nanao fianianana mandainga, nanao fifanekena; fa nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bava asa eny an-tsaha ny fitsarana azy.
malagasy
Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.