Hosea 10:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Matahotra ny mponina any Samaria noho ny amin’ny ombivavy kely ao Bety-Avena; mitomany azy ny olony ary mangovitra noho ny aminy ny mpisorony, dia noho ny amin’ny voninahiny izay lasan-ko babo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny ombivavy kely ao Betavena no atahoran’ny mponina ao Samaria, satria ny vahoakany misaona ny sampiny, ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy, noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mponin’i Samaria dia manaja ilay sarin’ombilahikely izay ao Bety-Avena, satria misaona azy ny vahoakany mbamin’ireo mihambo ho mpisorony. Ny voninahitr’ilay ombilahikely anie no aoka hiravoravoany, amin’izao izy lasa babo ho lavitra antsika izao!
Malagasy Bible 1865
Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Matahotra ny mponina any Samaria noho ny amin’ny ombivavy kely ao Bety-Avena; mitomany azy ny olony ary mangovitra noho ny aminy ny mpisorony, dia noho ny amin’ny voninahiny izay lasan-ko babo.
malagasy
Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,