Hosea 10:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho rava koa ny toerana fanaovana sorona ao Avena izay anotan’ny Israely; ho rakotry ny tsilo sy songosongo ny alitarany. Hiteny amin’ny tendrombohitra izy hoe: Saròny izahay! Ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho rava ny fitoerana avon’i Avena, izay fahotan’i Israely; handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: «Saròny izahay!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay ».
Malagasy Bible 1865
Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho rava koa ny toerana fanaovana sorona ao Avena izay anotan’ny Israely; ho rakotry ny tsilo sy songosongo ny alitarany. Hiteny amin’ny tendrombohitra izy hoe: Saròny izahay! Ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay!
malagasy