Hosea 10:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely; mikiribiby aman-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?
Malagasy Bible 1865
Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana!
malagasy
Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.