Hosea 11:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanaraka NY TOMPO ireny; hierona toy ny liona Izy; eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanaraka an’i Iaveh izy ireo; hierona toy ny liona Izy, ka rehefa mierona Izy dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO Izay hierona tahaka ny liona no harahin’ireo voasesitany hody. Ary rehefa mierona ny TOMPO, dia ireo zanany no hihazakazaka hanatona avy any ampitan-dranomasina any.
Malagasy Bible 1865
Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanaraka NY TOMPO ireny; hierona toy ny liona Izy; eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
malagasy
Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.