Hosea 12:15 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao izay nahasosotra sy nahatezitra i Efraima, ka havelan’ny Tompony ho eo aminy ny rany ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanantsy mafy ny fahatezeran’Andriamanitra i Efraima, ka havelany hitsingerina aminy ny rany, ary hovalian’ny Tompo izy noho ny fanalam-baraka nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampalahelo mafy an’Andriamanitra i Efraîma ka dia hailiky ny Tompony hianjady aminy ny vokatry ny ra nalatsany, ary hatsingeriny hanody azy ny fanevatevana nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao izay nahasosotra sy nahatezitra i Efraima, ka havelan’ny Tompony ho eo aminy ny rany ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
malagasy
Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.