Hosea 12:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Homan-drivotra i Efraima sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana; mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fampihorohoroana; manao fanekena amin’ny Asiriana izy ary mitondra diloilo ho any Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Efraima, mihinan-drivotra, sy manenjika ny rivotra avy atsinanana. Mampiavosa lainga amam-pandozàna mandritra ny andro izy; manao fanekena amin’i Asora izy ireo, ka entina ho any Ejipta ny diloilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mamatsy diloilo an’i Ejipta i Efraîma; ka rivotra no ivokisany amin’izany. Manao fifanekena amin’i Asiria izy dia manenji-drivotra avy atsinanana. Tontolo andro no ampitomboiny ny lainga sy ny herisetra.
Malagasy Bible 1865
Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Homan-drivotra i Efraima sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana; mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fampihorohoroana; manao fanekena amin’ny Asiriana izy ary mitondra diloilo ho any Ejipta.
malagasy