Hosea 12:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.
Malagasy Bible 1865
Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;
malagasy
Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;