Hosea 13:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hafahako avy tamin’ny fitoeran’ny maty izy; havotako amin’ny fahafatesana izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny areti-mandringanao? Ry fitoeran’ny maty ô, aiza ny valanaretinao? Afenina tsy ho hitan’ny masoko ny indrafo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanafaka azy amin’ny herin’ny Seoly Aho, hanavotra azy amin’ny fahafatesana. Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry Seoly ô, aiza ny fandringananao? Miafina amin’ny masoko ny nenina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.
Malagasy Bible 1865
Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hafahako avy tamin’ny fitoeran’ny maty* izy; havotako amin’ny fahafatesana izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny areti-mandringanao? Ry fitoeran’ny maty ô, aiza ny valanaretinao? Afenina tsy ho hitan’ny masoko ny indrafo!
malagasy
Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.[Heb. Sheola]Fa Efraima dia hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.