Hosea 13:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia hahavokatra eo afovoan’ny rahalahiny aza i Efraima dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotry NY TOMPO miakatra avy any an-tany efitra, ka ho ritra ny loharanony ary ho tankina ny fantsakany. Hobaboina ny harena, dia ny fanaka tsara rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima; nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana; hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh; ka ho maina ny loharanony; ho tankina ny fantsakàny; hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa Efraima dia hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia hahavokatra eo afovoan’ny rahalahiny aza i Efraima dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotry NY TOMPO miakatra avy any an-tany efitra, ka ho ritra ny loharanony ary ho tankina ny fantsakany. Hobaboina ny harena, dia ny fanaka tsara rehetra.
malagasy