Hosea 13:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny dia mbola manota ihany izy, ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra voarendrika, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ny mpahay taozavatra avokoa. Ireny dia lazaina fa olona no vonoiny hatao fanatitra ary manoroka ombilahy kely izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany; nanao sarin-javatra anidina tamin’ny volany, dia sampy araka izay hevitra foroniny; asan’ny mpanao taozavatra foana izany! Izao no filazan’ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona, manoroka zanak’omby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny mikiribiby manota izy, ka mandrendrika volafotsy hanaovana sarivongan-tsampy araka ny hakingany mamorona azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny kanefa dia lazainy hoe: «Anolory sorona izy!» Olombelona no mitsaoka ombilahikely!
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan'ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny dia mbola manota ihany izy, ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra voarendrika, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ny mpahay taozavatra avokoa. Ireny dia lazaina fa olona no vonoiny hatao fanatitra ary manoroka ombilahy kely izy.
malagasy