Hosea 13:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ho toy ny rahona maraina izy, sy ho toy ny ando izay levona raha vao maraina ny andro ary ho toy ny akofa izay paohin’ny rivotra hiala amin’ny famoloana sy ho toy ny setroka avy amin’ny varavarankely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina, ho toy ny ando amin’ny maraina malaky levona, ho tahaka ny akofa paohin’ny rivotra avy eo am-pamoloana, ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon’ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin’ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin’ny varavarankely.
Malagasy Bible 1865
Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin'ny rivotra hiala amin'ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin'ny varavarana makarakara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ho toy ny rahona maraina izy, sy ho toy ny ando izay levona raha vao maraina ny andro ary ho toy ny akofa izay paohin’ny rivotra hiala amin’ny famoloana sy ho toy ny setroka avy amin’ny varavarankely.
malagasy