Hosea 13:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahazo ahitra tsara izy dia voky; eny, voky izy ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky; nivoky izy ka nisondrotra ny fony; ka izany no nanadinoany Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.
Malagasy Bible 1865
Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahazo ahitra tsara izy dia voky; eny, voky izy ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany Ahy.
malagasy
Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.