Hosea 13:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho ka handriatra ny saron’ny fony; eny, any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; ny bibidia no hamiravira azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka Aho, handriatra ny sarom-pony Aho ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy; ny biby any an-tsaha hamotipotika azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny famelin’ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.
Malagasy Bible 1865
Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho ka handriatra ny saron’ny fony; eny, any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; ny bibidia no hamiravira azy.
malagasy
Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.