Hosea 14:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hovaliana i Samaria noho ny helony satria nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika dia hotorotoroina ary ny kibon’ny bevohoka eo aminy dia hotatahana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.
Malagasy Bible 1865
Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hovaliana i Samaria noho ny helony satria nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika dia hotorotoroina ary ny kibon’ny bevohoka eo aminy dia hotatahana.
malagasy
Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.