Hosea 14:10 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no hendry ka hahafantatra izany zavatra izany? Izay manan-tsaina dia hahalala izany. Fa mahitsy ny lalan’NY TOMPO, ny marina dia mizotra eny aminy, fa ny mpanota kosa dia ho tafintohina eny aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany, izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina. Fa mahitsy ny lalan’i Iaveh; ka ny marina no hizotra eo, fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no hendry hahafantatra izany tenin’i Hôsea izany, na lalin-tsaina hahalala ny heviny? Fa mahitsy ny sori-dalan’ny TOMPO; ka hizoran’ny olo-marina izany, saingy hahasolafaka ny mpikomy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no hendry ka hahafantatra izany zavatra izany? Izay manan-tsaina dia hahalala izany. Fa mahitsy ny lalan’NY TOMPO, ny marina dia mizotra eny aminy, fa ny mpanota kosa dia ho tafintohina eny aminy.
malagasy
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.