Hosea 14:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’NY TOMPO ka mitenena Aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra ary raiso izay tsara! Dia hatolotray ho fanatitra ny molotray ho solon’ny vantotra ombilahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miverena amin’ny TOMPO ka milazà aminy hoe: «Avelao avokoa ny helokay; ary ho solon’ny vantotr’ombilahy fanolotray dia raiso tsara ireto teninay ireto:
Malagasy Bible 1865
Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’NY TOMPO ka mitenena Aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra ary raiso izay tsara! Dia hatolotray ho fanatitra ny molotray ho solon’ny vantotra ombilahy.
malagasy
Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.[Heb. haloanay][Heb. vantotr'ombilahy]