Hosea 14:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hamonjy anay i Asiria, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony hoe: Ry andriamanitray ô! Fa ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»
Malagasy Bible 1865
Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hamonjy anay i Asiria, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony hoe: Ry andriamanitray ô! Fa ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo.
malagasy
Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.