Hosea 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry Efraima ô! Hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; tahaka ny hazo kipreso maitso Aho, avy Amiko no hahazoana ny vokatrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataon’i Efraîma inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.
Malagasy Bible 1865
Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao. Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry Efraima ô! Hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; tahaka ny hazo kipreso maitso Aho, avy Amiko no hahazoana ny vokatrao.
malagasy
Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][Heb. azy]Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.