Hosea 2:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa, na izany aza, ny isan’ny Zanak’Israely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy azo afàtra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hilazana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny isan’ny zanak’i Israely dia ho tahaka ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy afàtra na isaina, ary any amin’ny tany nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanaovana an’ny hoe: Zanak’Andriamanitra velona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, indray andro any, ny isan’ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin’ny ranomasina. Ary eo amin’ny toerana izay nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanambaràna aminy kosa hoe: «Zanak’ilay Andriamanitra velona ».
Malagasy Bible 1865
Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa, na izany aza, ny isan’ny Zanak’Israely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy azo afàtra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hilazana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona ianareo!
malagasy