Hosea 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Nataoko betsaka ny volafotsiny sy ny volamenany, kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’ny Baala izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahalala izy, fa Izaho no nanome azy ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena izay nampiasainy ho an’i Baala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an’i Bahala.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an 'i Bala,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Nataoko betsaka ny volafotsiny sy ny volamenany, kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’ny Baala* izany!
malagasy
Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an'i Bala,[Na: nataony ho]