Hosea 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.
Malagasy Bible 1865
Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany.
malagasy
Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.