Hosea 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany; eny, ny fotoam-piravoravoany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.
Malagasy Bible 1865
Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany; eny, ny fotoam-piravoravoany rehetra.
malagasy
Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.