Hosea 2:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny izay nolazainy hoe: Karama maloto avy tamin’ireo lehilahiko ireto! Hataoko ho tonga kirihitra ireny ka hohanin’ny bibidia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Horavako ny voalobony aman’aviaviny, izay nataony hoe: Izany no tangy nomen’ireo lehilahiko ahy; ka hataoko manjary ala ireny, ary ny biby dia no hihinana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny izay nataony hoe: «Izany no karama nomen’ny lehilahy sakaizako ahy.» Hovako ho kirihitr’ala ireny ka hataon’ny bibidia sakafo.
Malagasy Bible 1865
Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny izay nolazainy hoe: Karama maloto avy tamin’ireo lehilahiko ireto! Hataoko ho tonga kirihitra ireny ka hohanin’ny bibidia.
malagasy
Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.