Hosea 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny perany sy ny firavany. Nanaraka ireo lehilahiny izy fa Izaho kosa dia nohadinoiny, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala, izay nanolorany emboka, tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa Izaho kosa nohadinoiny, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.
Malagasy Bible 1865
Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny perany sy ny firavany. Nanaraka ireo lehilahiny izy fa Izaho kosa dia nohadinoiny, hoy NY TOMPO.
malagasy
Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.