Hosea 2:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hamaly Aho, hoy NY TOMPO; eny, hamaly ny lanitra Aho ary izy kosa dia hamaly ny tany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no ho tonga amin’izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin’i Iaveh, - Izaho hamaly ny fangatahan’ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan’ny tany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hamaly Aho, hoy NY TOMPO; eny, hamaly ny lanitra Aho ary izy kosa dia hamaly ny tany;
malagasy
Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly]