Hosea 2:25 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hamafy amin’ny tany ho Ahy Aho sady hamindra fo amin’i Lo-Rohama ary hiteny amin’i Lo-Amỳ hoe: Oloko ianao! Ary hiteny kosa izy hoe: Andriamanitro Ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hafafiko amin’ny tany ho Ahy i Israely, ary hanao famindram-po amin’i Lô-Rôkama Aho sy hilaza amin’i Lô-Amì hoe: «Vahoakako ianao,» ary izy hanao hoe: «Andriamanitro».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo amin’io tany io i Jizrehèla, no hataoko miorim-ponenana; ho tiako i Lô-Rohamà ary i Lô-Hamỳ hitenenako hoe: «Vahoakako ianao»; ary izy kosa hamaly Ahy hoe: «Andriamanitro Ianao».
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hamafy amin’ny tany ho Ahy Aho sady hamindra fo amin’i Lo-Rohama ary hiteny amin’i Lo-Amỳ hoe: Oloko ianao! Ary hiteny kosa izy hoe: Andriamanitro Ianao!
malagasy
Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6]