Hosea 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifandahara amin’ny reninareo; eny, mifandahara fa tsy vadiko izy, ary tsy vadiny Aho! Aoka hesoriny hiala eo amin’ny tavany ny fijejojejoany ary tsy ho eo an-tratrany ny fijangajangany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifandahara amin-dreninareo, mifandahara! Fa izy tsy vadiko intsony, ary Izaho tsy vadiny intsony. Aoka hoesoriny hiala amin’ny tavany, ny fijangajangany, ary tsy ho eo afovoan’ny nonony ny fanabodoany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miampangà an’i Israely reninareo; eny, miampangà azy, hoy Izaho TOMPO, fa izy tsy vadiko intsony ary Izaho tsy vadiny intsony. Aoka hoesoriny hiala amin’ny tavany ny mariky ny fivarotan-tenany ary hoesoriny tsy ho eo an-tratrany ny famantaram-panitsakitsaham-bady!
Malagasy Bible 1865
Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifandahara amin’ny reninareo; eny, mifandahara fa tsy vadiko izy, ary tsy vadiny Aho! Aoka hesoriny hiala eo amin’ny tavany ny fijejojejoany ary tsy ho eo an-tratrany ny fijangajangany!
malagasy
[Ny hamaizana ny Isiraely, sy ny mbola hampodian'i Jehovah azy] Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;