Hosea 2:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hataoko toy ny tany efitra izy sy toy ny tany karankaina. Eny, hataoko matin-ketaheta izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin’ny hetaheta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.
Malagasy Bible 1865
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hataoko toy ny tany efitra izy sy toy ny tany karankaina. Eny, hataoko matin-ketaheta izy;
malagasy
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.