Hosea 2:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nijangajanga ny reniny; eny, ilay torontoronina azy dia nanao izay mahamenatra; fa hoy izy hoe: Hanaraka ireo lehilahiko ihany izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko ary ny diloiloko sy izay hosotroiko, aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria nijangajanga reniny, nanao zava-mahamenatra ilay torontoronina azy; fa hoy izy: Izaho handeha any amin’ireo lehilahiko, izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko, ny volon’ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.»
Malagasy Bible 1865
Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nijangajanga ny reniny; eny, ilay torontoronina azy dia nanao izay mahamenatra; fa hoy izy hoe: Hanaraka ireo lehilahiko ihany izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko ary ny diloiloko sy izay hosotroiko, aho.
malagasy