Hosea 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny sakaizany nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’NY TOMPO ny Zanak’Israely; nefa ireo kosa dia mitodika ho amin’izay andriamanitra hafa sady tia mofo voaloboka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mandehana indray, mitiava vehivavy izay tian’ny lehilahiny anankiray ka manitsakitsa-bady: tahaka ny itiavan’i Iaveh ny zanak’i Israely, nefa izy ireo kosa mivadika mankany amin’andriamani-kafa, sady tia ny ampempam-boaloboka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian'ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin'izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny sakaizany nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’NY TOMPO ny Zanak’Israely; nefa ireo kosa dia mitodika ho amin’izay andriamanitra hafa sady tia mofo voaloboka.
malagasy
[Ny amin'ny vehivavy janga anankiray, izay natao tandindon'ny Isiraely] Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian'ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin'izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.[Na: tian'ny sakaizany sady]