Hosea 3:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa andro maro no hitoeran’ny Zanak’Israely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka na fanatitra na tsangambato na efoda na terafima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.
Malagasy Bible 1865
Fa andro maro no hitoeran'ny Zanak'Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa andro maro no hitoeran’ny Zanak’Israely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka na fanatitra na tsangambato na efoda* na terafima*.
malagasy
Fa andro maro no hitoeran'ny Zanak'Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany.