Hosea 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia hiverina ny Zanak’Israely ka hitady NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona NY TOMPO sy ny fahasoavany izy amin’ny ho avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia hiverina ny Zanak’Israely ka hitady NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona NY TOMPO sy ny fahasoavany izy amin’ny ho avy.
malagasy