Hosea 4:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hihinana izy nefa tsy ho voky, hijangajanga izy nefa tsy hitombo isa satria efa tsy nahoany intsony NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hihinana izy fa tsy ho voky; hijangajanga fa tsy hitombo; satria efa nahafoy an’i Iaveh, tsy hanompoany Azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.
Malagasy Bible 1865
Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hihinana izy nefa tsy ho voky, hijangajanga izy nefa tsy hitombo isa satria efa tsy nahoany intsony NY TOMPO.
malagasy
Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.