Hosea 4:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko ary ny tehiny no miteny aminy; fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy; mijangajanga izy ka manalavitra an’Andriamaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tapa-kazony no ilàn’ny vahoakako saina, ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy, fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako, ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin’Andriamaniny izy.
Malagasy Bible 1865
Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko ary ny tehiny no miteny aminy; fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy; mijangajanga izy ka manalavitra an’Andriamaniny.
malagasy
Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.