Hosea 4:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra; eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo kesika ary ny hazo terebinta izay tsara alokaloka! Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ny vinantovavinareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manatitra sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy, mandoro emboka eny amin’ny havoana, eny ambany oaka amam-peopilie ary terebinta, satria tsara alokaloka ireny. Noho izany raha mijangajanga ny zanaka vavinareo, sy maka vadin’olona ny vehivavinareo tanora,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihinana ny sorona aterina amin-tsampy eny an-tampon-tendrombohitra izy, ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin’ny havoana, dia eny ambanin’ny hazo ôaka, sy ny hazo be ravina ary ny terebinta satria tsara alokaloka ireny Koa izany no mahatonga ny zanakavavinareo hivaro-tena sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.
Malagasy Bible 1865
Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra; eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo kesika ary ny hazo terebinta* izay tsara alokaloka! Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ny vinantovavinareo.
malagasy
Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.