Hosea 4:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo raha mijangajanga izy, fa ny tenany aza dia mitokana mankany amin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo mpijangajanga ho fanompoan-tsampy. Tsy ho vanona ny firenena tsy misaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany, na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona; satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga, sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy. Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo raha mivaro-tena izy, na ny vinantovavinareo, raha manitsakitsa-bady izy. Satria ireny mpisorona ireny aza no mitondra mpivarotena any amin’ny takona, ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy miaraka amin’ireny vehivavy ireny. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka dia vahoaka mamery ny tenany.
Malagasy Bible 1865
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo raha mijangajanga izy, fa ny tenany aza dia mitokana mankany amin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo mpijangajanga ho fanompoan-tsampy. Tsy ho vanona ny firenena tsy misaina.
malagasy
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]