Hosea 5:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Henoinareo izao, ry mpisorona! Mihainoa, ry taranak’Israely! Atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka, fa ianareo no hiharan’ny fitsarana satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo ary fandrika harato voavelatra ao Tabara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak’i Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria ianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,
Malagasy Bible 1865
Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Henoinareo izao, ry mpisorona! Mihainoa, ry taranak’Israely! Atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka, fa ianareo no hiharan’ny fitsarana satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo ary fandrika harato voavelatra ao Tabara.
malagasy