Hosea 5:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitan’i Efraima ny aretiny ary hitan’i Joda ny feriny; dia nankany Asiria i Efraima; eny, nandefa iraka ho any amin’i Jareba mpanjaka izy; nefa sady tsy mahasitrana anareo izy no tsy mahatsabo ny ferinareo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nahita ny aretiny i Efraima, ary i Jodà ny ratrany, dia nankany amin’i Asora i Efraima ary naniraka ho any amin’ny mpanjaka anankiray izy hamaly ny ratsy natao taminy; tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’i Efraîma ny aretiny ary tsapan’i Joda ny feriny; ka nankany amin’i Asiria i Efraîma ary nandefa iraka tany amin’ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon’i Efraîma.
Malagasy Bible 1865
Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitan’i Efraima ny aretiny ary hitan’i Joda ny feriny; dia nankany Asiria i Efraima; eny, nandefa iraka ho any amin’i Jareba mpanjaka izy; nefa sady tsy mahasitrana anareo izy no tsy mahatsabo ny ferinareo,
malagasy
Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.[Jareba = Mpandahatra, na Mpiady]