Hosea 5:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
satria amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora. Izaho dia Izaho no mamiravira dia lasa mandeha. Lasako izy ka tsy misy mahavonjy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima, ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà. Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha; hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.
Malagasy Bible 1865
Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
satria amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora. Izaho dia Izaho no mamiravira dia lasa mandeha. Lasako izy ka tsy misy mahavonjy.
malagasy
Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.