Hosea 5:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy avelan’ny ataony hiverina amin’Andriamanitra izy satria ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny ary tsy mahalala NY TOMPO izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy avelan’ny asa nataony hiverina amin’Andriamanitra izy ireo, fa saim-pijangajangana no eo afovoany, ka tsy mahalala an’i Iaveh izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tsy mamela azy hiverina amin’Andriamaniny ny asa nataon’ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.
Malagasy Bible 1865
Tsy avelan'ny ataony hiverina amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy avelan’ny ataony hiverina amin’Andriamanitra izy satria ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny ary tsy mahalala NY TOMPO izy.
malagasy
Tsy avelan'ny ataony hiverina amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.[Na: tsy mety manao izay hiverenany]