Hosea 6:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia aoka hahalala isika; eny, aoka hiezaka hahalala NY TOMPO. Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy ary toy ny faraorana mahavonto ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an’i Iaveh isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara orana manamando ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay aoka hiaiky ny TOMPO isika; eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika! Azo antoka toy ny mazava atsinanana ny firotsahany hanao izany. Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika, dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»
Malagasy Bible 1865
Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia aoka hahalala isika; eny, aoka hiezaka hahalala NY TOMPO. Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy ary toy ny faraorana mahavonto ny tany.
malagasy