Hosea 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha ta hanasitrana ny Israely Aho dia miseho ny helok’i Efraima sy ny asa ratsin’i Samaria satria fatra-mpandainga izy; miditra ny mpangalatra, ary mandehandeha eny ivelany ny andian-jiolahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fony Aho nitady hanasitrana an’i Israely no nihariharian’ny haratsian ’i Efraima sy ny haratsiam-panahin’i Samaria: fa ny lainga ataony fanao; ny mpangalatra miditra an-trano, ny jiolahy mikarenjy eny ivelany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.
Malagasy Bible 1865
Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha ta hanasitrana ny Israely Aho dia miseho ny helok’i Efraima sy ny asa ratsin’i Samaria satria fatra-mpandainga izy; miditra ny mpangalatra, ary mandehandeha eny ivelany ny andian-jiolahy.
malagasy
Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.