Hosea 7:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ilay mankany iny izy ireo, Izaho kosa mamelatra eo amboniny ny fandrika haratoko; dia hataoko latsaka toy ny voromanidina izy, ary hamay azy, araka ny efa voalaza rahateo teo amin’ny fiangonany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iny izy mankany iny kosa no velariko aminy ny haratoko, ka ataoko izay hilatsahany ao toy ny voromanidina; avy eo dia faiziko izy araka ny zavatra ratsy nataony.
Malagasy Bible 1865
Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany.
malagasy
Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.