Hosea 7:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mitaraina Amiko ao am-pony izy fa midradradradra foana ao am-pandrianany; mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy sady mikomy hiala Amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao, nefa Izaho iambohoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mitaraina Amiko ao am-pony izy fa midradradradra foana ao am-pandrianany; mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy sady mikomy hiala Amiko.
malagasy
Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.