Hosea 7:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miverina ihany izy nefa tsy ho amin’ny Avo; tonga tahaka ny tsipìka mivaona fandeha izy; ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany. Izany no ho fandatsana azy any amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!
Malagasy Bible 1865
Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.