Hosea 7:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mihevitra ao am-pony izy fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra; ankehitriny dia gejain’ny nataony izy, ary tonga eo anatrehako izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izy ireo tsy misaintsaina akory ao am-pony fa tsarovako avokoa ny faharatsiany. Ankehitriny manodidina azy ny heloka be vava nataony, dia indreo izy eo anatrehako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mihevitra ao am-pony izy fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra; ankehitriny dia gejain’ny nataony izy, ary tonga eo anatrehako izany.
malagasy
Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.[Heb. ataony hoe]