Hosea 8:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’NY TOMPO satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalànako ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataovy am-bava ny anjomara, fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin’ny tranon’i Iaveh!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.
Malagasy Bible 1865
Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’NY TOMPO satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalànako ireo.
malagasy
[Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]