Hosea 8:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy; eny, mihinana ny henan’izany, nefa tsy sitraky NY TOMPO ireo. Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; eny, hiverina ho any Ejipta izy ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy, dia ny henan’ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahin’i Iaveh izany. Hahatsiaro ny helok’izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.
Malagasy Bible 1865
Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy; eny, mihinana ny henan’izany, nefa tsy sitraky NY TOMPO ireo. Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; eny, hiverina ho any Ejipta izy ireny.
malagasy
Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.